Isan’ny voafaritra ao anatin’ireo lamin’asan’ny Ministeran’ny Paositra (MPTDN) ny fanamafisana ny fampiroboroboana ny fampiasana ny teknolojia vaovao eny anivon’ny Paositra Malagasy. Ankoatr’ireo tolotra nahafantarana azy hatramin’izay , dia fanamby apetraka ihany koa ny hametrahana ny Paositra ho isan’ireo tosika amin’ny fampandrosoana ny toe-karen’ny firenena amin’ny alalan’ny banky postaly sy ireo tolotra manodidina ny vola , misy ao aminy.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana natokan’ny mpiasan’ny Paositra hifampiarabana nohon’ny nahatratrarana ny taona 2019 ny Ministra Christian RAMAROLAHY androany, teny amin’ny Espace Langano Ambatobe.
————————————-
[Secteur postal : la Paositra Malagasy à l’ère du numérique, le ministre lance le défi]
Favoriser l’usage du numérique dans les services postaux, aligner la Paositra Malagasy aux grands opérateurs internationaux, mettre en place une banque postale pour le bénéfice du grand public ; le Ministre Christian RAMAROLAHY lance le défi de revaloriser la notoriété de la Paositra Malagasy, aussi bien à l’échelle nationale qu’internationale.