
𝑽𝑬𝑳𝑰𝑹𝑨𝑵𝑶 𝑭𝑨𝑯𝑨-4 : 𝑭𝒂𝒎𝒑𝒊𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒌𝒐𝒍𝒐𝒏𝒕𝒔𝒂𝒊𝒏𝒂 𝒉𝒐 𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒕𝒓𝒂 (𝑬𝒅𝒖𝒄𝒂𝒕𝒊𝒐𝒏 𝒆𝒕 𝒄𝒖𝒍𝒕𝒖𝒓𝒆 𝒑𝒐𝒖𝒓 𝒕𝒐𝒖𝒔)
𝑽𝑬𝑳𝑰𝑹𝑨𝑵𝑶 𝑭𝑨𝑯𝑨-11 : 𝑭𝒂𝒎𝒑𝒊𝒗𝒐𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒏’𝒊 𝑴𝒂𝒅𝒂𝒈𝒂𝒔𝒊𝒌𝒂𝒓𝒂 (𝑴𝒐𝒅𝒆𝒓𝒏𝒊𝒔𝒂𝒕𝒊𝒐𝒏 𝒅𝒆 𝑴𝒂𝒅𝒂𝒈𝒂𝒔𝒄𝒂𝒓)
Asa fa tsy kabary.
Nampanantena fotodrafitrasa “Smartvillage” miisa-50 manerana ny nosy ny Filoham-pirenena, tamin’ny alalan’ny MPTDN.
Miainga ny tetik’asa; androany no nametraka ny vato fototra taty amin’ny Faritra Itasy, kaominin’i Ankaranana ny Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary Fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra (MPTDN) .
Nanotrona tamin’izany ny solombavambahoaka lany tao Soavinandriana ,Ramatoa Fiainantsoa sy ny Solombavambahoakan’ny didtrikan’ny Tsiroanimandidy, Atoa Ramaherijaona.
𝘕𝘺 « 𝘚𝘮𝘢𝘳𝘵𝘷𝘪𝘭𝘭𝘢𝘨𝘦 » 𝘥𝘪𝘢
𝘍𝘰𝘵𝘰𝘥𝘳𝘢𝘧𝘪𝘵𝘳𝘢𝘴𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘢𝘳𝘢-𝘱𝘦𝘯𝘪𝘵𝘳𝘢, 𝘢𝘮𝘦𝘵𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘧𝘪𝘵𝘢𝘰𝘷𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘯-𝘥𝘢𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘧𝘪𝘵𝘢𝘰𝘷𝘢𝘯-𝘵𝘴𝘦𝘳𝘢𝘴𝘦𝘳𝘢 𝘢𝘷𝘰 𝘭𝘦𝘯𝘵𝘢 .
Ny SmartVillage dia toerana iray ahafanao :
👉 Manovo fahalalana sy mahazo vaovao isan’andro amin’ny alalan’ireo teknolijia vaovaom-pifandraisana
👉 Misitraka ireo tolotry ny Paositra Malagasy :
- Tahiry sy petra-bola isan-karazany
- Fametrahana, fandefasana ary fisintonana vola amin’ny alalan’ny PaositraMoney
- Mandefa taratasy, entana sy ny sisa manerana nt nosy.
Ny tanjona fototry ny Tetik’asa dia ny fitondrana fampandrosoana eny ifotiny amin’ny alalan’ny fametrahana ireo fotodrafitr’asa sy fitaovam-pifandraisan-dafitra vaovao sy manaraka ny toetr’andro.
Efa miainga ary efa vonona avokoa ireo fitaovana rehetra hampandehanana ny tetik’asa.