Mivonona amin’ny lafiny rehetra ny fitondram-panjakana hiatrehana ny CORONAVIRUS. Nohatsaraina ny fandraisana ireo antso amin’ny laharana maitso 910, ankoatry ny maha-maimaimpoana ny antso, dia napetraka nanomboka androany ihany koa ny fahafahana misafidy amin’ny fiteny Malagasy ny antso sy toro-hevitra amin’io laharana io, nampitomboina ireo mpandray ny antso, ary mpitsabo sy manam-pahaizana manokana no mandray izany.
Misokatra mandritra ny herinandro tsy ankihato, Alatsinainy ka hatramin’ny Alahady, amin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny 10 ora alina ny laharana maitso, ary “enregistrés” avokoa ireo antso miditra sy ny laharana findain’ny mpiantso ka ahafahana manara-maso akaiky ireo olona miantso raha toa misy tranga ahiahiana. Nidina teny amin’ny sampana mitantana io laharana io ny Ministra RAMAHERIJAONA Andriamanohisoa androany, ary nanara-maso akaiky ny fizotry ny fampihofanana ireo mpandray ny antso sy ny fampandehanana araka ny tokony ho izy ny laharana maitso 910.
NUMERO VERT 910
Des améliorations ont été apportées à l’opérationnalité de la ligne verte 910.
Les appels sont immédiatement orientés vers les services concernées, médecins et personnel qualifié. Toujours gratuite, cette ligne reste ouverte de 6h-22h, 7j/7.
La langue malagasy et la langue française sont disponibles aux échanges,
et tous les appels sont enregistrés et répertoriés.