MPTDN – Premières rencontres avec les opérateurs en télécommunications à Madagascar

MPTDN – Premières rencontres avec les opérateurs en télécommunications à  Madagascar

A la demande des opérateurs des Télécommunications à Madagascar, Le Ministre des Postes, des Télécommunications et du Développement Numérique, Monsieur Andriamanohisoa RAMAHERIJAONA les a reçu successivement, quelques jours seulement après sa prise de fonction.

Lors de ces visites de courtoisie,chaque opérateur a pu exposer leurs projets et perspectives pour le secteur.

 Le Ministre a confirmé sa détermination à mettre en place un partenariat fort avec toutes les parties prenantes sans distinction pour la réalisation de la Vision du Président de la République et du Programme Général de l’Etat.


Nanao tohivakana, nifandimby nitafa tamin’Andriamatoa RAMAHERIJAONA Andriamanohisoa, minisitry ny Paositra, ny fifandraisan-davitra ary ny haitao ara-kajy mirindra ireo mpikirakira tambajotram-pifandraisana misy sy miasa eto Madagasikara. Dinika natao araka ny fangataham-pihaonana nataon’ireto farany, izay natrehin’ny Sekretera jeneraly, Atoa RANESA Firiana, ny Tale jeneraly misahana ny Nomerika eto amin’ny MPTDN, Atoa Dera RANDRIATSARAFARA ary ny Tale jeneralin’ny ARTEC, Atoa Laurent RAKOTOMALALA.
Fotoana voalohany izao nahafan’ny Ministra nihaino ireo hetahetan’ny tsirairay ho fanatsarana ny sehatry ny fifandraisan-davitra sy nanao tomba-maso ny zava-misy.
Fiaraha-miasa amin’ny mpisehatra rehetra eto Madagasikara tsy ankanavaka no ho apetraka hoy Ny Ministra ary tokana ny Tanjona: hanatanteraka ny Vinan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA efa voafaritra ao anatin’ny Velirano sy ny Politika ankapoben’ny Fanjakana.

Close Menu