MPTDN – Fihaonana tamin’ireo mpisehatra eo amin’ny lafiny nomerika eto madagasikara

MPTDN – Fihaonana tamin’ireo mpisehatra eo amin’ny lafiny nomerika eto madagasikara

Tonga teto amin’ ny Ministeran’ ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny haitao ara-kajy mirindra, solotenan’ny GOTICOM (Groupement des Opérateurs des Technologies de l’Information et de la Communication), nitondra ny teny firariantsoa sy fiarahabana ny Ministra vaovao Andriamatoa Andriamanohisoa  RAMAHERIJAONA.

Fampahafantarana ny andraikitry ny GOTICOM no tena votoatin’izany fihaoanana izany, nitondran’izy ireo ny fijerin’izy ireo mikasika ny Nomerika eto Madagasikara.

Mbola hisy fihaonan’ny Ministra amin’ny fotoana manaraka miaraka amin’ireo mpisehatra rehetra ao anatin’ ity vondrona ity hifampizarana traikefa sy hijerevana miaraka ny fiaraha-miasa azo atao.

Nanatrika izany fihaonana izany :

Atoa Jean-Luc RAJAONA, Filohan’ny GOTICOM

Atoa Njaka ANDRIAMAMPITA, mpandrindra eo anivon’ ny GOTICOM

Atoa Gil RAZAFINTSALAMA, mpandrindra eo anivon’ ny GOTICOM

Atoa Alain RAZAFINDRABE, mpandrindra eo anivon’ ny GOTICOM

Ny mpisolovava  Gérard RAMANGAHARIVONY, mpandrindra eo anivon’ ny GOTICOM


Le Ministre des Postes, des Télécommunications et du Développement Numérique, Monsieur Andriamanohisoa RAMAHERIJAONA a reçu les représentants du Groupement des Opérateurs des Technologies de l’Information et de la Communication ou GOTICOM ce jeudi 13 février 2020. Une visite de courtoisie et présentation de vœux s’est tenue avec le Ministre.
Le GOTICOM a également partagé leur Vision sur le Numérique à Madagascar lors de cette rencontre. Pour sa part, le Ministre en charge a confirmé sa volonté de travailler de concert avec tous les acteurs dans ce secteur pour la Concrétisation du Velirano du Président de la République Andry RAJOELINA. Une prochaine rencontre sera prévue dans ce sens pour entrer dans les détails.

Close Menu