MPTDN – FIZARANA HO FANOMBOHANA NY TAONA ANATIN’NY FAHOMBIAZANA

MPTDN – FIZARANA HO FANOMBOHANA NY TAONA ANATIN’NY FAHOMBIAZANA

Nanatanteraka asa sosialy maro isan-karazany ny « Club des volontaires » eto anivon’ny Ministeran’ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny Fampiroboroboarana ny haitao ara-kajy Mirindra hatramin’ny nitsanganany, tamin’ny taona 2017. Ho fanombohanana izany asa izany ho an’ity taona 2020 ity dia ireo ankizy kamboty sy sahirana tao amin’ny « Centre Orphelinat Aina enfance et Avenir » Malaza no nisantarany. Ankoatra ireo fizarana fanomezana efa fanao dia afaka nianatra momba ny fampiasana sy fikirakirana solosaina, aterineto sy maro hafa ireo ankizy sy mpanabe ary ray aman-dreny tao amin’ny Toby.
Fotoana koa io nizarana tamin’ireo ankizy maro ny fitaovam-pianarana avy amin’ Andriamatoa RAMAROLAHY Christian, Ministry ny MPTDN sy ireo tompon’andraikitra eto amin’ny Ministera.
Izany no natao mba ho fanampiana azy ireo amin’ny fiatrehana ny taom-pianarana.

Close Menu