MPTDN – Clubs des Volontaires mizara hafaliana

MPTDN – Clubs des Volontaires mizara hafaliana

Toy ny fanao isan-taona dia nahatsiaro sy nitsinjo ireo zaza kamboty sy tsy misy mpiahy ireo mpilatsaka an-tsitrapo na ny club des Volontaires eto anivon’ny Ministeran’ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny Fampivoarana ny haitao ara-kajy Mirindra.
Izany dia natao tao amin’ny Centre Orphelinat MAMITIANA mba ho fifampizarana hafaliana ho an’ireo ankizy amin’izao ankatokin’ny fetin’ny Krismasy izao.
Raha fizarana vatomamy no fanao dia niavaka ny hetsika nataon’izy ireo tamin’ity indray mitoraka ity. Sakafo masaka, vary sy laoka izay nokarakarain’izy ireo manokana no naroso sy nozaraina. Ho fampin’izany dia nisy ihany koa kilalao maro isan-karazany notolorana izay hita fa nahafaly tokoa ireto ankizy miisa 27 ireto.

Close Menu