DINIKA NOSY MALAGASY

DINIKA NOSY MALAGASY

Tonga teny amin’ny CCI Ivato nanatrika ny lanonam-panokafana ny fakan-kevitra nasionaly momba ireo nosy Malagasy ao amin’ny ranomasimbe indiana ny Minisitry ny Paositra, ny Fifandraisan-davitra ary ny Haitao ara-kajy mirindra, RAMAROLAHY Christian. Fakan-kevitra mahakasika ireo nosy izay voafaritra fa tokony ho an’ny Malagasy.
Minisitra maro eo anivon’ny Governemanta no tonga nanome voninahitra ny fotoana, izay notarihin’ny Praiministra Ntsay Christian. Hita teny antoerana ihany koa ireo solontenan’ny andrimpanjakana isan-tsokajiny, olon-tsotra, fikambanana, mpanao politika sy mpisehatra eo amin’ny fiainam-pirenena.
Haharitra telo andro ny Dinika ary hanasana ny olom-pirenena rehetra tsy ankanavaka.

Close Menu