Rachat de l’OTIV Boeny par Paositra Malagasy

Rachat de l’OTIV Boeny par Paositra Malagasy

Lors du passage du Président de la République de Madagascar, Son Excellence Monsieur Andry RAJOELINA dans la capitale de Boeny, il a promis aux membres de l’OTIV Boeny de trouver une solution rapide et durable à leurs problèmes.
En effet, l’OTIV Boeny est en difficulté depuis l’année 2016. Les 33 000 membres et clients de cette Mutuelle sont en passe de perdre leurs dépôts en raison d’une mauvaise gestion et détournement de fonds.
Après plusieurs mois de négociation, un accord vient d’être signé ce jour (28 octobre 2019) entre, d’une part le Ministre des Postes, des Télécommunications et du Développement Numérique, Monsieur Christian RAMAROLAHY, la Paositra Malagasy, et d’autre part les Administrateurs provisoires de l’OTIV BOENY.
Au terme de cet accord, la Paositra Malagasy s’engage à reprendre toutes les activités de l’OTIV Boeny.
Cette opération de fusion-acquisition permet à la PAOSITRA MALAGASY de faire d’une pierre deux coups:
– D’une part, elle sauve les clients de l’OTIV Boeny en garantissant les dépôts,
– D’autre part, elle renforce ses activités financières en obtenant une licence de Microfinance.
Ainsi La Paositra Malagasy va devenir un acteur majeur dans l’inclusion financière.
Cette opération de rachat est une première dans les annales du secteur financier en matière de sauvetage d’une Institution financière en difficulté.
Dans un premier temps, la Paositra Malagasy va offrir des crédits aux 33 000 clients de l’OTIV BOENY dans des conditions plus favorables grâce à un taux d’intérêt autour de 12%, c’est-à-dire moitié moins cher que la pratique du secteur. Dans quelques mois, la Paositra Malagasy va élargir son offre à l’ensemble de ces clients, environ 500 000 sur tout le territoire.
Il faut rappeler que la Paositra Malagasy est la Seule Institution financière présente sur tout le Territoire avec un peu plus de 250 agences. Les 15 caisses de l’OTIV BOENY vont compléter ce dispositif.
Cette démarche s’inscrit entièrement dans la Vision du Président de la République concernant la facilitation à l’accès aux financements. A terme, la Paositra Malagasy participera au financement du « Fihariana » surtout dans les localités où les banques ne sont pas présentes.
Grace à ce rachat, la Paositra Malagasy vient de franchir une étape importante vers la création d’une Banque postale.
Enfin la mise en œuvre de cet accord est accompagnée et facilitée par l’autorité bancaire, la CSBF (Commission de Supervision Bancaire et Financière).

—————————————————————————————————————————-

OTIV Boeny: novidian’ny Paositra Malagasy

Toky nomen’ ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA nandritra ny fitsidihana nataony tany amin’ny Renivohitry I Boeny ny hitondran’ny Fanjakana vahaolana mahomby sy maharitra ho an’ireo mpikambana 33 000 tao amin’ny OTIV Boeny.

Raha tsiahivina dia efa tamin’ny taona 2016 no nisy ny olana ara-bola tao amin’ity Fikambanana ity noho ny tsy fahaiza-mitantana sy fanodikodinam-bola.
Notanterahana ny 28 oktobra 2019 ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piarahamiasa, teo amin’ny Minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra tarihin’ny minisitra RAMAROLAHY Christian, ny Paositra Malagasy ary ireo mpitantana vonjimaika eo anivon’ny OTIV Boeny.
Araka io fifanarahana io dia ho raisin’ny Paositra Malagasy manontolo ny asa nosahan’ny OTIV Boeny. Tafiditra voalohany amin’izany ny fihantohany ny petrabolan’ireo mpikambana 33 000. Eo ihany koa ny fanamafisana ireo tetikasa fampindramam-bola madinika kasain’ny Paositra Malagasy atao.
Hanamora ny fampindramam-bola ny Paositra Malagasy, ho amin’ny taha ambany raha ampitahaina amin’ireo banky mpampindram-bola eto amintsika, 9 hatramin’ny 14% izany mba hahafahan’ny rehetra misitraka azy.
Tsara ho marihana fa ny Paositra Malagasy dia manana birao mihoatra ny 250 eraky Madagasikara. Ary afaka volana vitsivitsy dia ho sokafana ireo birao OTIV Boeny 15 nikatona. Hitambatra ireo ho fanamorana ny fahazoan’ny mpanjifa misitraka ny tolotra, indrindra any amin’ireo toerana izay tsy hita na banky.
Izao tetikasa izao moa dia tafiditra ao anatin’ny Vinan’ny Filoham-pirenena, amin’ny fanamorana ny fahafahan’ny rehetra mindrana vola sy mamorona tetikasa. Afaka handray anjara amin’ny programa “Fihariana” ny Paositra Malagasy ao aoriana ao.
Dingana lehibe voalohany izao nataon’ny Paositra Malagasy izao ao anatin’ny fametrahanany Banky postaly.Dingana izay tohanan’ny CSBF tanteraka ary harahiny akaiky ny fanatontosana azy.

Voalohany teto Madagasikara ny fandraisana an-tanana ,ny fanohizana sy ny famahana ny olan’ny orinasa mpampindram-bola tahaka izao.
Vokatr’ity fifanarahana ity, mpikambana 33 000 eo anivon’ny OTIV Boeny no hanampy isa ireo mpikambana 500 000 n’nypaositra Malagasy.
Marihina fa ity fifanaovan-tsoniam-pifanarahana ity dia eo ambany fanarahamason’ny CSBF ary nahazo ny fahazoan-dalany.

Close Menu