ASIEF ANTSIRANANA OKTOBRA 2019

ASIEF ANTSIRANANA OKTOBRA 2019

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 12 oktobra 2019 ny ASIEF 2019 tany Antsiranana, fifaninana ara-panatanjahantena andraisan’ny Ministera rehetra anjara. Tsy diso anjara tamin’izany ny MPTDN. Lanonana natrehin’ny Minisitry ny asam-panjakana Ramatoa Gisèle RANAMPY, ny Tale jeneralin’ny Ministeran’ny fanatanjahan-tena Ramatoa Rosa Rakotozafy, ny Filohan’ny ASIEF Andriamatoa Jean aimé Botosera sy ny Solombavan-bahoaka an’Antsiranana ary ny solotenan’ny Ben’ny tanàna an’ Antsiranana.

Close Menu